1 Ho an'ny mpiventy hira. Al-jedotona. Salamo nataon'i Asafa. Ny feoko dia mankany amin'Andriamanitra, ka mitaraina aho; eny, ny feoko mankany amin'Andriamanitra, ka mihaino ahy Izy. 

2 Tamin'ny andro fahoriako no nitadiavako ny Tompo; ny tanako nasandratra nony alina ka tsy vizana; ny fanahiko tsy nety nampiononina.

3 Ta-hahatsiaro an'Andriamanitra aho, ka dia nisento; te-hieritreritra aho, ka dia reraka ny fanahiko. 

4 Mampiari-tory ny masoko Hianao; mitebiteby aho ka tsy mahateny.

5 Nihevitra ny andro fahiny aho, dia ny taon-dasa ela.

6 Ta-hahatsiaro ny nitendreko valiha tamin'ny alina aho; te-hidinidinika amin'ny foko aho, ary ny fanahiko nanontany mafy hoe:

7 Hanary mandrakizay va ny Tompo? Tsy hankasitraka intsony va Izy?

8 Efa nitsahatra mandrakizay va ny famindram-pony? Efa tapitra mandrakizay va ny teniny?

9 Efa nanadino hamindra fo va Andriamanitra? Efa nohidiany an-katezerana va ny fiantrny? 

10 Ary hoy izaho: Izao no mahararirary ny foko, dia ny niovan*'ny tanana ankavanan'ny Avo Indrindra.[Na: Nefa tsarovako ny taon']

11 Hampahatsiaro ny asan'i Jehovah aho, fa ta-hahatsiaro ny fahagagana nataonao fony taloha;

12 Eny hisaina ny asanao rehetra aho, ary hihevitra ny nataonao.

13 Andriamanitra , amin'ny fitoerana masina* ny lalanao; iza no andriamani-dehibe tahaka an'Andriamanitra? [Na: amin'ny fahamasinana]

14 Hianao no Andriamanitra Izay manao fahagagana; efa nampahalala ny herinao teny amin'ny firenena Hianao. 

15 Navotan'ny sandrinao ny olonao, dia ny taranak'i Jakoba sy Josefa.

16 Ny rano be nahita Anao, Andriamanitra , ny rano be nahita Anao ka toran-kovitra; eny, nanonjanonja ny lalina.

17 Nandatsaka ranonorana ny rahona; nikotrokotroka ny lanitra; nifanaretsaka koa ny zana-tsipkanao.

18 Ny fikotrokotroky ny kotrokorana dia teo amin'ny tadio*; nahazava izao rehetra izao ny helatra; nihovotrovotra sy nihorohoro ny tany.[Na: dia nikodiadia]

19 Tany amin'ny ranomasina ny lalanao, ary ny nalehanao dia tany amin'ny rano mandriaka, ka tsy fantatra ny dian-tongotrao.

20 Ny tanan'i Mosesy sy Arona no nitondranao ny olonao toy ny ondry.
